Kobaka am-bavan-dRajoelina momba ny delestazy

Efa zary lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery


  • Alatsinainy 26 Mey 2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Andry Nirina Rajoelina, momba ny delestazy hatramin’izay nandraisany ny toerana maha filohan’ny repoblika azy tamin’ny 7 taona lasa mahery ka hatramin’izao ity. Tamin’izany fotoana moa ny hoe afaka 6 volana. Volana vitsy taorian’izay indray dia hoe amin’ny 2028 vao tena hilamina. Tamin’ny herintaona, ny 30 oktobra, moa dia hoe hijery ny zava-misy eny amin’ny JIRAMA ary tsy hivoaka ao raha tsy mipoitra ny vahaolana. Nandrasana tokoa ity fitsidihana ary fantatra fa efa nivoaka tao sy nihazo an’i Nosy be avy hatrany kanefa dia mbola nitohy ihany izay fahatapahan’ny herinaratra lavareny na delestazy izay ho an’ny manamorona ilay toerana notsidihina dia tsy taiza fa teto Antananarivo. Iny indray izao nifarana ny herinandro dia hoe 3 herinandro ihany no omeko ny minisitry ny angovo hamahana ny olana. Asa indray hoe iza amin’ny vahoaka malagasy no mbola hino sy hanantena izany ary mbola mahandry izany vahaolana afaka tapa-bolana mahery izany koa ve? Ny minisitry ny angovo irery ihany koa ve no ho tompon’ny tsiny avy eo, raha toa ka mbola mitohy ilay fahatapahan’ny herinaratra lavareny? Ho hita eo indray!
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT