Mangataka ny hisian’ny mangarahara amin’ireo milaza fa manohana ny kandida Robinson ny Komity Mitaky ny Fodian’ny Filoha Ravalomanana (KMFFR) sy ny GTT Iraisam-pirenena.
Milaza ireto farany fa ady fanao tsy maintsy hisy na efa nisy ny fifanarahana ara-politika nefa betsaka amin’ireo milaza ho manohana ireo no niady mafy ny tsy hahatafody ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana. Koa mangataka ny hanehoan’ireo rehetra vonona hanohana ny Dokotera Robinson àry ny KMFFR sy ny GTT Iraisam-pirenena mba haneho ampahibemaso ny faneken’izy ireo ny fodian’ny filoha Ravalomanana tsy misy fepetra hanatrika ny lanonana fianianana hataon’ny dokotera Robinson handraisany ny fahefana hitondrany ny tany sy fanjakana rehefa lany ho filoham-pirenena izy. Ny fodian’i Marc Ravalomanana irery ihany, hoy izy ireo no antoky ny filaminana ary io no tanjona tsy maintsy tratrarina ho an’ireo rehetra manohana ny kandida Robinson.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.