KMF

CNOE_Zotram-pifidianana


  • Alatsinainy 13 Novambra 2023

Volan-kankafotra, omaly tsy miova ihany ny zotram-pifidianana, hoy ny KMF/CNOE Fanabeazana

olom-pirenena tao anatin’ny fanambany omaly 8 novambra. Betsaka loatra ny zavatra miiba mitaha ny miabo. Maso miara-mahita isika fa miha very hasina sy tsy atokisana ny andrim-panjakana, porofon’izany, niteraka ady hevitra sy fanoherana ny fanendrena ny rafitra hitantana ny firenena. Tsy nisy famaranana tamin’ny fomba ofisialy ny «refonte» tamin’ny lisi-pifidianana satria mbola nisy fikitihana ny lisitry ny mpifidy toa ny fanadiovana, fangatahana nalefa teny amin’ny fitsarana taorian’ny filazana ny vokatra farany nataon’ny CENI. Mihen-danja sy miharatsy kalitao ny fampielezan-kevitra. Ny fizarana mety manohitohina ny fahafahan’ny tsirairay hisafidy toa ny vola sy ny fanampiana ara-pitaovana, koveta, moto, fiara,… ary fanaovana ramatahora ny mpiasam-panjakana madinika, indrindra eo amin’ny fampianarana; ny fanovàna ny fiaram-panjakana ho “plaque noire” hampiasaina hanaovana fampielezan-kevitra. Kandida folo manohitra ny hanatanterahana ny fifidianana fa mitaky fanavaozana ara-drafitra sy fandaminana. Tsy matoky ny andrim-panjakana (HCC, CENI, Governemanta) izay mijoro izy ireo sy ny mpanara-dia azy. Tsapa fa tery ny fahafahana maneho hevitra indrindra fa eny anivon’ny faritra ivelan’ny Renivohitra, hoy io Firaisamonim-pirenena io, izay nanameloka tanteraka ny fandratrana ny olom-pirenena. Manimbazimba ny fahafahan’ny tsirairay sy manitsaka ny andininy faha-13 amin’ny lalampanorenana ny fampiasana ilay “logiciel” fitsikilovana : “PREDATOR”, hoy ny ampahan’ny fanambaran’ny KMF/CNOE. Misoko mora koa ny fandraisana ho mpikambana izay ahiana ho fividianana na fanerena ankolaka ataon’ny antoko TGV hatreny amin’ny biraom-panjakana, ampiasaina hatramin’ny karatry ny mpifidy. Mangina tanteraka ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana manoloana ireo fikambanana voafehin’ny “Ordonnance 60-133” mirotsaka mivantana manao fampielezan-kevitra manohana kandida. Noho izany rehetra izany, nahitsy ny KMF/CNOE nilaza fa tsy feno ny fepetra haha-fifidianana ekena sy andraisan’ny rehetra anjara ka hitondra filaminana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT