Politique

KMF Cnoe “Mila fahamatorana ireo mpanao politika”


  • Talata 10 Septambra 2019

Miisa 32 ireo kandidà amin` ireo kaominina 1 695 eto Madagasikara nanatitra antontan-taratasy filatsahan-kofidiana teny amin` ny OVEC amin` izao herinandro farany fanaterana raha ny tatitra voaray.

 

 

Saika ireo kandidà tsy miankina avokoa ireo ankamaroany. Samy manana paikady apetrany avokoa ireo antoko politika lehibe izay fantatra fa manana kandidà amin` io fifidianana io. Anisan` ny andrasan` ny besinimaro ireo kandidà hifampitsapa eto Antananarivo Renivohitra. Tokony samy hanaraka fe-potoana voafaritra ireo izay mieritreritra ho kandidà ka handray anjara ao anaty fifidianana, hoy ny filoha lefitry ny KMF-Cnoe, Aimée Ratsimbazafy. Tsara mampatsiahy fa ny 12 septambra izao no hikatona izay fandraisana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana izay kanefa tsy mahataitra loatra izany, hoy izy. Nohitsiny fa tsy mbola afaka an-tsaintsika Malagasy no miandry ora farany ka eo vao mikoropaka ary rehefa avy eo, manome tsiny ny mpikarakara. Toe-tsaina tokony hamboarina, hoy ihany izy. Mila mandray anjara amin` izany fifidianana izany, ny fandraisana ny fahefana, fandraisana anjara amin` ny fiainam-pirenena. Ny antoko politika anefa no tokony manao izany. Firy sy firy ny antoko politika eto amintsika? Firy no tena mandray anjara amin` ny fifidianana? Inona no maha antko politika sasany? Io no efa nambaran`  ny KMF-Cnoe tamin` ny volana aogositra teo ka tokony handraisan` ny fanjakana fepetra ireo antoko politika. Ilaina fiomanana ny firotsahana fa tsy eo am-potomoto vao inona avy ireo taratasy ilaina. Hamafisana etoana fa ianareo mpanao politika sy antoko politika dia mila famatorana mba tsy hisian` ny olana amin` ny fiomanana sy fandraisana anjara amin` ny fifidianana satria anjaran` ny mpanao politika no miomana amin` ny fandraisana ny fahefana amin` ny alalan` ny fifidianana satria tany demokratika Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT