Omaly talata no nanao fanambarana tetsy amin’ny foibeny Immeuble Santa Antanimena ny KMF/CNOE manoloana ny fikatsoan’ny fiainam-pirenena.
Manameloka tanteraka ny fampiasan-kery sy ny herisetra nisy izay mahatonga hatrany ny savorovoro sy korontana izy ireo. Eo ihany koa ny tsaho maro misy hoenti-manararaotra hanakorontanana hatrany ny saim-bahoaka sy ny fiarahamonina. Lavin’izy ireo ny tsy fanajana ny demokrasia tahaka ny sakantsakana misy ankehitriny ny amin’ny fanehoan-kevitra izay atao. Izany rehetra izany no mahatonga ny vahoaka sy ny fiainany ho takalon’aina hatrany ka miteraka fahasahiranana lavareny. Ankoatr’izay dia mendri-piderana, hoy ireto farany, ny fihetsika nataon’ireo tompon’andraikitry ny minisiteran’ny fiarovana sy ny filaminam-bahoaka ary ny Préfet de police ny amin’ny fanapahan-kevitra hoenti-miaro ny vahoaka sy ny fananany. Fa manoloana ireny korontana tamin’ny sabotsy 21 aprily 2018 lasa teo ireny dia mitaky ihany koa ny fampiharana ny lalàna amin’ireo tompon’antoka nitondra fandratrana sy fahafatesan’olona ny KMF/CNOE. Ary farany dia mampirisika ny mpisehatra ara-pifidianana izy ireo mba hifanatona ary hanatsara haingana iny lalam-pifidianana fototry ny disadisa iny. Izany ezaka rehetra izany ihany no antoka hitondra amin’ny filaminana sy fitoniana ka ahafahana hanatanteraka fifidianana eken’ny rehetra.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.