KMF-CNOE

“Atsaharo ny fividianana vahoaka, ataovy madio ny fifidianana”


  • Alarobia 24 Aprily 2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao eto amintsika. Betsaka ireo karazana fihetsiketsehana mety hataon’ireo kandida mba hisarihana ny fon’ny olona manoloana izany. Nivoaka tamin’ny fahanginana avy hatrany ny KMF-CNOE ary nilaza fa tsy mankasitraka ny fanohintohinana ny fahalalahan'ny olom-pirenena hisafidy izy ireo ka anisan’ireny ny fizarana vola, sy fitaovana mba hahazoana ny safidiny. Nampahatsiahy izy ireo fa ny tahirin-kevitra mahakasika ny fifidianana ihany no voalazan'ny lalàna fa azo zaraina mandritra ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra. Izay tena hevitra sy anjara birikinareo mpirotsaka ho fidiana entina hampandrosoana ny firenena atosaka hoy izy ireo koa ialao ny ny fitaka sy ny lainga ary ny fampihorohoroana. Nahazo ny anjarany ihany koa ny filoha sy mpikambana amin’ny andrim-panjakana rehetra. Ialao lavitra ny fampiasana ny fahefam-panjakana, ny fampiasana ny fitaovam-panjakana (fiara, olona sy ny sisa) hoy izy ireo. Ianareo voakasiky ny fikarakarana ny fifidianana mivantana (CENI, HCC), tsy hisy fibaikoana azonareo raisina afa-tsy ny làlana sy ny feon’ny fieretreretanareo irery ihany. Ianareo no antoky ny fangaraharahan'ny fifidianana. Fantatra hatrany fa tsy ho mora fa adidy efa nekenareo saingy ataovy ankahalalahana sy am-pahamatorana izany. Ho an’ireo mpiasam-panjakana moa dia nanasa azy ireo hanaja ny sata mifehy azy amin’ny tsy fiandaniana amin’izao fampielezan-kevitra izao ny KMF-CNOE. Tanjon’izy ireo ny mba hisian’ny fifidianana avy amin’ny safidim-bahoaka malalaka fa tsy misy teritery arahin’ny fitandroana ny rariny sy ny hitsiny. Pati
Legende : Mijoro ho mpanabe olom-pirenena hatrany ny KMF –CNOE !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT