KMF

CNOE


  • Alatsinainy 27 Mey 2024

Nanao fanaraha-maso tamin’ny Distrika 110 ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena eo

anatrehan’ny fiatrehana ny fifidianana hatao ny 29 mey. Arakan y tatitra nataony, nahavita ny asany ny OVEC sy ny HCC tamin’ny famoahana ireo lisitry ny kandida ; tontosa ny famaranana ny lisitry ny mpifidy ; voahaja ny fanombohana ny fampielezankevitra ofisial ; vonona ireo taratasy ho fikirakira amin’ny andron’ny fifidianana. Ankilany anefa doa misy ny fampiasan’ireo kandida ny marika ahafantarana ny Filoham-pirenena izay Filohan’ny Malagasy rehetra : anarana, akanjo, sary, hira, sns. Izay ampiasaina ihany koa rehefa manatanteraka fitsidiham-paritra izy ; fampiasana ny fitenenana hoe “kandidam-panjakana” mandritra ny fampielezankevitra ; fampiasana herisetra amin’ny endriny rehetra (Fahefam-panjakana, fanerena mivantana na ankolaka,vola, fitaovana...). Milaza ity firaisamonim-pirenena ity fa samy nanao ny saim-pantany sy izay afany nandritra ny fotoana mialoha ny fisokafana ofisialin’ny fampielezankevitra. Any amin’ny olom-pirenena ny fahefana hifidy sy hanendry izay hisolo vava azy, eny amin’ny Antenimierampirenena, ka niantso ny rehetra hijoro sy ho sahy haka lesona ny KMF/CNOE. Depiote mpanao lalàna fa tsy mpandany lalàna na mpandray baiko ho mpanangan-tanana fotsiny no ilaina, ary solombavambahoaka hentitra amin’ny fanaraha-maso ny asan’ny mpanatanteraka ka tsy hikatsaka afa-tsy ny tombotsoan’ny vahoaka Malagasy, sahy hitondra ny hetahetan’ny vahoaka, ary vonona hanao ny tatitra amin’ny olom-pirenena, hoy hatrany io Firaisamonim-pirenena io. Miantso ny vahoaka hifidy sy hampiasa ny fahefana noho izany izy ireo, ary izay heverina fa tena manana hevitra mifanahaka amin’ireo andraikitry ny Depiote ireo, ho amin’ny tena fampandrosoana handrasan’ny vahoaka no fidiana. « Alaviro ny mifidy ireo mpandika lalàna, sy ireo tsy afaka hanaja ny fisaraham-pahefana izay fototry ny Fanjakana tan-dalàna sy ny demokrasia », hoy hatrany ny KMF/CNOE. Niantso ny kandida mba handrakotra delege mahatoky sy resy lahatra aminy eny amin’ny ny biraom-pifidianana rehetra noho izany izy ireo, ary nanamafy ny ny antso ho an’ny olom-pirenena vanona ka voasoratra anaty lisitra, handeha hifidy sy hanaporofo fa mbola tsy vita araka ny resabe iniana ahely ny fifidianana. Miantso ny rehetra hanara-maso sy hiaro ny safidiny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT