Kisambotsambotra, ramatahora,…

Anaty fonjabe mitafo lanitra ny Malagasy


  • Alatsinainy 11 Desambra 2023

Fonjabe mitafo lanitra sisa ny fiainan-dRamalagasy, hoy ny fanehoan-kevitry ny olompirenena

miaina ny toe-draharaha eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ny rojo vy an-tongotra no tsy ampy. Tena niverina ilay fanjanahana, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra. Tsy mifidy ary tsy ampoizina intsony fa hatramin’ireo olona tsy heritreretina sy heverina fa mpanelanelana anatin’izao toe-draharaha mafampana izao aza, izany hoe ireo heverina ho raiamandreny miantso fihavanana, dia tratry ny antsojay isan-karazany sy voaantso atao fanadihadiana na voasambotra mihitsy. Isan’ny nanaitra ny mpanara-baovao maro, ohatra, ny fiantsoana ireo filohana sendika miisa 2 dia ny filohan’ny SECES Antananarivo, Pr Sammy Grégoire Ravelonirina, sy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga, izay nambara moa fa ahiana ho manohitohina ny fiandrianam-pirenena. Toy izany koa ny an’ny namana mpanao gazety Gasikara Fenosoa Mandrindrarivony, izay nambara fa ahiana ho nampirisika fikomiana miaramila. Dia saika ho toy izany sy mifanakaiky amin’izany daholo ny ankamaroan’ireo antony niantsoana olompirenena neverina fa naneho hevitra, eny, na dia naka fanehoan-kevitra fotsiny aza ho hadihadiana teny amin’ny sampan-draharaha misahana ny heloka be vava teny. Ny sasany moa nidoboka am-ponja mihitsy ary na efa matetika ho nitaraina fa nahavita sazy aza dia tsy mbola navoaka raha tsy hanontrona farany ny nofo mangatsiakan’ny sasany. Ny sasany moa maty tany am-ponja mihitsy. Kisambosambotra, fanerena fanehoan-kevitra, mpitandro filaminana etsy sy eroa izay mampametra-panontaniana hoe tena hitandro filaminana tokoa ve sa sanatrian’izany tonga amin’ilay fomba fiteny hoe hanao hery famoretana vahoaka na ho fampihorohoroan-tsaina ny olompirenena? Ny vokatry ny ezaka amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana amin’izao manaraka izao indray moa no hirariana hamaly izany rehetra izany ary koa handiso na hanamarina ny zava-miseho rehetra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT