Kianjan’ny 13 may tsy azo hanaovana hetsika intsony

Porofo goavana amin’ny fitotonganan’ny demokrasia


  • Alarobia 18 Desambra 2024

Ny faran’ny taona 2018, rehefa nambara tamin’ny fombam-pitsaràna manetriketrika tao

amin’ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana na HCC Ambohidahy, fa lany ho filoham-pirenena malagasy amin’izay fa tsy filohana tetezamita intsony ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, no navela ho ampiasaina farany tamina hetsika politika ny kianjan’ny 13 may etsy amin’ny Parvis Analakely, manoloana ny lapan’ny tanànan’Antananarivo. Nampiasaina handihindihizana sy hifalifalian’ireo mpanaradia ity filoham-pirenena vao lany ity izany tamin’izay fotoana izay rehefa avy nidarohana baomba mandatsa-dranomaso ireo nanohitra ny valim-pifidianana niseho tamin’izany fotoana izany kosa. Taorian’io dia nodidinina mpitandro filaminana, mba tsy ilazàna hoe EMMOREG na EMMONAT, hatrany io kianja io isaky ny misy hetsika politika nanambana hidina teo amin’ilay toerana. Hatramin’izao fotoana mialohan’ny ivoahan’ny voka-pifidianana kaominaly amin’ny fomba ofisialy izao aza dia mbola izany no zava-nitranga tazana tao anatin’ny herinandro. Azo lazaina ho porofo goavana amin’ny fitotonganan’ny demokrasia eto Madagasikara ankehitriny anefa, na izany na tsy izany, ity kianjan’ny 13 may tsy azo hanaovana hetsika intsony ity. Tsy nahagaga raha nitotongana nanaraka izany koa ny laharana nisy antsika teo amin’ny resaka fahalalahan’ny fanaovan-gazety sy fanehoan-kevitra navoakan’ny rafitra iraisampirenena Reporter sans frontière taorian’izay. Tsy nisy izay tsy nahatadidy angamba hoe nihoatran’ny 40 isa mahery ny fitambaran’ny laharana very ho an’i Madagasikara teo amin’izay lafiny izay teo anelanelan’ny taona 2020 sy 2021. Asa hoe aiza ho aiza indray isika izao, hifarana ity ny taona 2024?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT