Kianjan’ny Magro Antsirabe

> Niverina indray ny tolona


  • Alatsinainy 06 Janoary 2014

Mitohy ny tolona !

 

Io no nisongadina tao amin’ny kianjan’ny Magro Antsirabe ny sabotsy 04 janoary 2014, ny ampitson’ny namoahan’ny CENI-T ny voka-pifididianana tsy mbola ofisialin'ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa natao ny 20 desambra 2013. Ireo rehetra nandray fitenenana dia samy nanantitrantitra fa vokatra tsy ofisialy iny ary efa voaporofo tamin’ireo fitarainana sy porofo marobe fa feno hosoka sy halatra ka tsy tokony hahataitra ny maro. Na izany aza dia miomana fatratra amin’ny fiarovana ny safidim-bahoaka isika. Nanamafy ny CT Didier Radert fa efa am-pelatanana ary efa voapetraka ny fitarainana rehetra manodidina izany. Miandry ny fahendren’ireo mpitsara ao amin’ny CES isika rehetra raha hinia hikipy amin’izao fanodinana safidim-bahoaka izao izy ireo. Tsy hanaiky ny halatra hatramin’ny farany isika ka dia mivonona hiaro ny safidin-tsika, hoy hatrany ny CT Didier satria efa nangalarina teo amintsika ny fitondrana nandritra ny 5 taona ka mbola hangalarina ihany koa ny safidim-bahoaka.

Mbola nanamafy izany moa Dokotera Jaona raha nandray fitenenana ka nanamafy fa mbola hihamafy ity tolona ity ka ilana fahavononana. Tsy ho 5 taona toy izay lasa izay intsony anefa, tsy hiato izany raha tsy mivoaka ny marina amin’ny voka-pifidianana ary tafody eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana. Niangavy ny mpandridran’ny Ankolafy Ravalomanana ao Vakinankaratra moa ny tenany mba hamory ireo rehetra nitonona ho mpanohana an’i Robinson Jean Louis mba hiverina am-bala ary hanambatra hery hanoherana izao hala-bato goavana ataon’ny mpanogam-panjakana izao. Marihina fa dia niatrana sy nivezivezy eran’Antsirabe ny fiaran’ny Emmo-Reg ka nandalo natetika teo anoloan’ny Magro Avaratsena ihany koa.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT