Politique

Kianjan’ny demokrasia Hosokafana Ambohijatovo


  • Alarobia 30 Desambra 2015

Vaovao iray anisan’ny nanamarika ny andron’ny 29 desambra 2015, ankoatra ny fifidianana Loholona, dia ny nivoaka tao amin’ny Lapan’ny tanŕnan’Antananarivo, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety

 

 nataon’ny mpanolotsain’ny tanàna avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara. Tsy niolakolaka ny fanambarana nataon’ireto farany fa « sarotiny amin’ny fanehoan-kevitra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Vonona izahay, hoy izy ireo ny hanafoana ny fanapahan-kevitry ny mpanolotsaina teo aloha ka hosokafana hanehoana hevitra ny ao Ambohijatovo ». Fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny tetezamita, taorian’ny nandraisan’ny mpanongam-panjakana ny fitantanana ny firenena no nanakatonan’ny mpanolotsain’ny tanàna tamin’izany an’Ambohijatovo ho tsy azo anaovana hetsika politika na dia notokanan’ny Ben’ny tanànan’Antananariro tamin’izany, Andry Nirina Rajoelina, tamin’ny 17 janoary 2009 ary nomena anarana ho « Kianjan’ny Demokrasia » misokatra ho an’ny rehefa hanehoan-kevitra. Vonona izahay, hoy ireo mpanolotsaina Tiako i Madagasikara hanafoana an’izany fanapahan-kevitra nanakatona an’ity toerana ity izany ho fanajana ny fahalalahana maneho hevitra. Sarotiny amin’ny fahalalahana miteny ihany koa ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy ireto mpanolotsaina ireo, ka “mila averina ny televiziona sy radion’ny Kaominina». Nasian’izy ireo resaka ihany koa ny fako izay mahabe resaka amin’izao fotoana eto an-denivohitra. « Mila averina amin’ny CUA ny fitantanana ny SAMVA hanadiovana ny tanàna fa efa tena tsy mendrika ny maha renivohitra azy ny fako be mivangongo », hoy izy ireo.


Rabri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT