Politique

Kianjan’ny ara-dalŕna Hiafarana tsy ho ela ny tolona !


  • Alakamisy 25 Febroary 2010

Raha tratry ny ankivy ara-toekarena i Madagasikara dia ny vahoaka no hibaby izany. Ny Frantsay no ambadik’izao korontana izao, hoy ny solontenan’ny tanora tetsy amin’ny kianjan’ny ara-dalŕna.

 

Noho izany, hoy i Manoela dia « tsy avelantsika hivoaka an’i Madagasikara na hitsoaka ireo frantsay ». Nambarany koa fa dia « ny tanora no nampidi-kizo ny Malagasy ». Manoloana izany indrindra dia nanao antso avo tamin’ny mponin’Antananarivo ny tenany mba tsy hiandry hoe rehefa ‘kere’ vao hihetsika. Mba tsy hisian’ny korontana eto Madagasikara, hoy ihany ity solontenan’ny tanora ity, dia antso no nalefany any amin’ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, « ampy izay ny disadisa politika fa tanteraho izay nosoniavinao », hoy ihany izy. Tsy hiandry ny 16 martsa ihany koa vao hihetsika izy ireo satria, araka ny fanazavana, dia izao tontolo izao no hanasazy, ka tsy ho diso anjara koa ny Malagasy. « Tsy misy matahotra fifidianana ny ankolafy rehetra na rahoviana na rahoviana, fa tokony hapetraka izay hifanarahana eken’ny rehetra sy eken’izao tontolo izao », hoy kosa ny solombavambahoakan’i Mahanoro. Tsy misy lalàmpanorenana na lalam-pifidianana ny fifidianana kasain’ny FAT hatao, ary ireo mpifidy lehibe no mety hifidy. Manoloana izany dia tadiavina hesorina ny safidim-bahoaka ka tsy azo ekena izany, hoy ihany ity olom-boafidy ity. Tsy hitondra fampihavanana izany, hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny kongresy ka tokony hatao mazava ny fitsipi-dalao ka ekena izay ho lany eo. Araka ny fanazavany ihany dia tsy mitombina ny filazana fa mizotra, araka ny tokony ho izy, ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Tsy fahombiazana no hita ankehitriny, araka ny fanazavana ihany. Ankehitriny koa dia mazava, hoy izy ny fampiasana vola baoritra, ny tsy an’asa mitombo andro aman’alina ary ny vidim-piainana midangana tsy nisy toy izany. « Efa hitako ny fiafaran’ny tonelina », hoy kosa ny olomboafidy Camille, avy amin’ny ankolafy Zafy. Ny Fihavanana no tena takiana, ary tsy azo atao ambanin-javatra fa hatao toy ny anakandriamaso. Tsy hijanona ny tolona, hoy izy, raha tsy tafapetraka ny repoblika faha-4. Manoloana ireo rehetra ireo, dia tokony hijoro hatramin’ny sabotsy izao koa ny komity miaro ny satan’i Maputo sy Addis Abeba ho fampanjariana ny fiainam-bahoaka, hoy Rakotoamboa Jean Louis. Tsy ho ela dia hofaranana ny tolona, hoy ihany izy satria raha ny tokony ho izy dia mialoha ny 16 martsa no tokony hijoro ary hipetrapetraka ireo rafitra rehetra voafaritry ny fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba.
 
Soa  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT