KARNEM-POKONTANY SY KARATRA TGV

Lasa hataon’ny sefom-pokontany fitadiavam-bola ?


  • Zoma 22 Desambra 2023

Lasa hataon’ny sefom-pokontany fitadiavam-bola amin’izao ilay karnem-pokontany

vaovao miloko vonimboasary haparitaky ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Izay tokantrano tsy manana iny karnem-pokontany iny sy ilay karatra TGV miloko vonimboasary koa hono mantsy dia misy misitraka izay fanampiana omen’ny fanjakana eo izay efa nosantarina tamin’ny fizarana jiro. Niteraka korontana mihitsy izany omaly Alakamisy 21 Desambra tao amin’ny Fokontany Antohomadinika, Antsalovana FAAMI. Tsy nomen’ny sefom-pokontany mantsy hoy ny fitarainan’ireo mponina ilay karne hahafahany milahatra jiro, fanomezana avy amin’ny mpitondra. Tsy maintsy mandoa vola hatrany amin’ny 10. 000 Ar ihany koa hoy hatrany ireo mponina vao mahazo ilay karatra volomboasary, izay efa nomena ho tsinjarain’ny fokontany ho an'ireo tokony hisitraka izany. Nopotehin’ny mponina hatramin’ny varavaram-pokontany mihitsy noho izany. Voatery nantsoina ny polisy nandamina ny raharaha. Ilay sefom-pokontany koa teo an-daniny natahotra ny ainy. Vahoaka romotry ny fahasahiranana tanteraka no tazana teny an-toerana. Na izany aza nilamina ihany ny raharaha. Nangonin’i Pati
Legende : Nivazavaza tahaka izao ny mponina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT