Karatry ny mpifidy

Maro ireo fitarainana sy ahiahy


  • Alatsinainy 25 Septambra 2023

Efa saika tonga eny amin'ny fokontany avokoa amin’izao fotoana izao ireo karatry ny mpifidy, raha ny fampitam-baovao voaray.

Maro anefa ireo fitarainana voaray teny anivon’ireo fokontany nanaovana fanadihadiana. Misy ny milaza fa olona efa maty tamin'ny 5 taona mahery no mbola tafiditra ao anaty lisitry ny mpifidy, izany hoe olona efa tsy nifidy tamin'ny taona 2018, ary misy kosa ireo olona tokony hifidy nefa tsy ao anaty lisitra. Misy amin’ireo efa nanamarina ny anarany tanaty lisitra koa no tsy isan’ireo naterin’ireo tomponandraikitry ny fokontany teny amin’ny fonenany avy ny karatra tokony ho entiny mifidy fa dia hoe andao hiaraha-mijery ao amin’ny biraom-pokontany, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray teny amin’ny boriboritany faha 3 teny. Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao etsy ankilan’izay ny kalitaon’ireo karatra hoe tena mampiseho ny fahavononan’ny firenena hiatrika fifidianana tokoa ve ary tena manaraka ny fenitra mifandraika amin’izany?
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT