Karatra maha TGV ho zaraina isam-pokontany

Tantaram-pirenena efa nandalo


  • Alakamisy 21 Desambra 2023

Azo lazaina ho naman’ny tantaram-pirenena efa nandalo ity karatra maha TGV na azo lazaina

hoe karatra maha isan’ny anatin’ny antoko politikan’ny mpitondra ho zaraina isaky ny fokontany ity. Raha ny vaovao voaray farany moa izany izao dia ho zaraina isam-pokontany mihitsy izany karatra izany. Tsy nifanalavitra amin’izao ihany koa ny zava-nisy tao anatin’ny fitondrana Ratsiraka, raha tsiahivina ny tantara, satria dia nireharehana ho akaikin’ny fitondrana tamin’izany fotoana izany, hoy ireo niaina ny vanim-potoana ny fananana karatra maha mpikambana ao amin’ny AREMA. Nilaza ny filohan’ny antoko politika FIZAZIMA, Maurice Beranto, fa na hanangana antoko politika aza ianao ka mifanipaka amin’izay voalaza ao anaty boky mena ny foto-kevitry ny antoko politika natsangana dia efa voararan’ny fitondrana nijoro tamin’ny fotoan’androny. Tsy azo ekena intsony izany ho an’ny firenena tena mandala ny atao hoe demokrasia, hoy ity filohana antoko ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT