Karama sy tombotsoa tsy mivoaka

Mikononkonon-javatra ny depiote…


  • Talata 10 Jona 2025

Mikasa hanao fivoriana mikato-trano ao amin’ny Antenimierampirenena amin’ity talata ity,

raha ny resaka niparitaka tao anatin’ny andro vitsy. Voalaza fa nisy solombavambahoaka sasantsasany nanolotra hevitra hanaovana fihaonana manokana tsy azon’ny besinimaro sy ny haino aman-jery idirana, miaraka amin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Antony ny hiresahana momba ny tombontsoa ara-bola sy hafa omen’ny fanjakana ho an’ireo parlemantera. Niteraka resabe io fanapahan-kevitra io teo anivon’ny solombavambahoaka sasany, izay manontany tena momba ny fahatomombanan’ny fotoana hanaovana izany fihaonana izany, indrindra amin’izao fotoana mifanojo olana ara-tsosialy sy ara-toekarena maro eto amin’ny firenena izao. Voalaza fa mety hotanterahina amin’ity herinandro ity ihany koa ny fihaonana mivantana eo amin’ny solombavambahoaka sy ny mpikamban’ny governemanta, izay hatao anaty fivoriana ara-potoana ao amin’ny Antenimierampirenena. Ity fihaonana ity dia tokony hifantoka amin’ireo olana lehibe mianjady amin’ny vahoaka, toy ny olana amin’ny filaminana, ny delestazy, ary ireo olana ara-piarahamonina sy ara-toekarena hafa. Na izany aza, io fihaonana manokana sady miafina io dia miantso saina sy manetsika adihevitra momba ny mangarahara sy ny laharam-pahamehan’ny asam-panjakana. Na tsy dia voaresaka ofisialy aza ny andinindininy, dia efa misy depiote namoaka ihany, toa an’i Siteny Randrianasoloniaiko, izay sahy nilaza mivantana fa sosotra ny depiote na ny mpanohitra na ny mpanohana ny fitondrana satria 10 volana tsy nahazo karama ireo « assistants parlementaires », tsy voaloa ny vola tsoahina amin’ny karaman’ny depiote amin’ny resaka fividianana fiara,… Efa nisy resaka fitsipaham-pitokisana ny governemanta teo aloha teo, saingy nezahina nampanginina sy nolazaina fa fanakorontanana, saingy io manomboka mafampana io indray ao Tsimbazaza noho ny resaka tsy fandoavam-bola. Andaniny, ny vahoaka mifafa ny kihony tsy misy mpiahy, tsy misy mpiaro,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT