Politique

Kaomisionin’ny Ranomasina Indianina Hanamafy ny Fikambanan’ireo parlemantera


  • Alakamisy 10 Novambra 2022

Nisy ny fihaonan’ireo filohan’ny antenimiera mpikambana anatin’ny COI (Commission de l’Océan Indien) omaly 09 novambra 2022 ho fameloma-maso

indray ny fikambanan’ireo parlemantera anivon’ny COI na AP-COI (Association des parlementaires de la Commission de l’Océan Indien), araka ny tatitry ny Antenimieram-pirenena. Nandritra izany no nanapahana fa hisy ny fanovana amin’ny ampahany ny fitsipika anatiny, napetraka ihany koa ny momba ny famatsiam-bola sy ny fampiodinana ny fikambanana ary ireo laharam-pahamehana entina manatanteraka ny vinan’ny AP-COI. Noho izany dia hisy ny fikarakarana ny fivoriana voalohan’ny komity mpanatanteraka, hoy hatrany ny tatitra. Nambara fa ny tanjon’ny fikambanana dia ny fampivoarana ny fifandraisana eo amin’ireo parlemantera anatin’ny COI, ny fampiroboroboana ny demokrasia, ny fandriampahalemana ary ny zo fototra amin’ny maha-olona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT