Politique

Kaominin’i Mahitsy PDS izao no resaka


  • Zoma 30 Martsa 2018

Nidina an-dalambe, nanery ny Ben’ny tanàna Andriambololona Rakotovao hanome fanazavana sy hanafoana ny tetika saika hivarotany ny kianja ara-panatanjahantena Mahitsy RN4 ny fokonolona ny alarobia 28 martsa teo.

 Niaiky ny fisian’ny fifanarahana hanomezana ampahany tamin’ny kianja hametrahana toby mpaninjara solika an’ny kaompania iray ny Ben’ny tanàna ka ny fanajariana ny ambin’ny kianja sy ny fananganana rihana amin’ny tranompokonolona no ho tambiny. Nohararaotin’ny fokonolona ny fifanatrehana, hampahafantarany ny fitakiany rehetra toy ny fandrodanana ny trano naorina amin’ny tany tsy nekena hanorenana hatramin’izay eo amin’ny tanin’ny kianja, ny hanaovan’ny Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina tatitra amin’ny vahoaka, ny fanazavana mikasika ny tanin’ny kaominina efa lafo sy ny toerana ao an-tsena saika hisy hanorina trano … Notakian’ny vahoaka ny hanaovana an-taratasy izay rehetra nifanarahana, noho ny tsy fisian’ny fifampitokisana intsony. Ary dia mitaky ny hametrahana PDS ho solon’ny Ben’ny tanàna am-perinasa sy ny handravana ny filankevitry ny tanànan’ity kaominina Mahitsy RN 4 ity ny vahoaka noho izany. Nanamafy ihany koa izy ireo ny hanarahana an-tsakany sy an-davany ny fifanarahana ny Jeneraly Ramiaramanana Joseph, iraky ny minisitera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny tetikasan’ny filoha sy ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana handamina ny  raharaha sy hanadihady ifotony, noho ny fitarainan’ny vahoaka tonga any amin’ny minisitera mpiahy.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT