Politique

Kaominin’Ankaraobato Miisa 11 ny rafitry ny polisy kaominaly tafapetraka


  • Alakamisy 01 Septambra 2022

Miezaka mampandeha sy manatanteraka ireo fampanantenana natao tamin’ny vahoakan’Ankaraobato ny tena ankehitriny, raha ny mikasika ny fitantanana ity kaominina ity no resahana,

hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Herinjato Samuelson Ramamenosoa. Betsaka, hoy izy, ny tanteraka fa maro koa ny mbola kasaina atao. Tsapa fa fohy ny fotoana rehefa tena iasana. Raha ny fifehezana ny toe-draharaha mikasika ny zava-mahadomelina nahoraka tao ho ao dia nisy ny fiaraha-miasanay tamin’ny polisy misahana izany na ny “stupéfiant” sy ny polisy misahana ny resaka fitondran-tena na “mœurs” izay nanatanterahanay fanentanana isan-tsekoly nandritra iny taom-pianarana farany teo iny. Nahazo izany daholo ny sekolim-panjakana sy tsy miankina hoe inona no voka-dratsin’ny zava-mahadomelina ary ny mety endrik’izay ao anaty fiarahamonina. Ny mahakasika ny tsy fandriampahalemana moa dia efa miezaka mifehy izany hatreto ny ao anatin’ny tanana. Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny teo anivon’ny polisim-pirenena ny amin’ny hahafahana mametraka indray izay olona hifehy ny fibaikoana ny paositry ny polisin’Ankaraobato. Miisa 11 koa ireo rafitry ny polisy kaominaly tafapetraka. Hisy koa ny fampiofanana ireo andrimasom-pokonolona na “quartier mobile” ifehezana izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny ben’ny tananan’Ankaraobato 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT