Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanànan’Ankaraobato Randriamiarisoa Gilbert amin’ny fifidianana hotanterahina ny volana oktobra ho avy izao.
Tsy mbola fantatra kosa anefa na hilatsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina ny tenany na antoko politika fa vao hivory hiaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy. Antony mbola hirotsahany raha araka ny fanazavany omaly ny fahitany fa mbola betsaka ny asa tokony hotohizana ao Ankaraobato. Anisan’izany ohatra tranon’ny zokiolona, ny fanatsarana ny EPP ao Ifarihy, ny lalana ao Ankadinandriana mirefy 110 m izay vao tonga omaly ny fitaovana ary haharitra iray volana ny asa. Toraka izany koa ny lalana ao Ankadilalampotsy mirefy 240 m izay ezahina hovitaina amin’ny volana aogositra ny asa…..Na izany aza anefa dia tsiahivina fa maro koa ireo asa efa vitan-dRandriamiarisoa Gilbert tao Ankaraobato raha tsy hilaza afa-tsy ny fanamboarana EPP vaovao ao Ankadinandriana, ny fanitarana ny biraon’ny kaominina izay lasa nisy efitrano fanaovana mariazy, ny lalana ao Ankadilalampotsy….
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.