Politique

Kaominina Toamasina I Namoaka naoty ny PDS, naaton’ny Lehiben’ny Faritra ny fampiharana azy


  • Alarobia 26 Oktobra 2011


 Tsy mbola milamina fa vao mainka mihenjan-droa ny tady manasaraka ny PDS-n’ny Kaominina Toamasina I sy ireo mpiasa mitokona efa ho efatra herinandro izao. Omaly tolakandro dia nampiantso fivoriana maika, tao amin’ny lapan’ny Faritra, Atoa PDS, izay nampiantso ireo mpiasa 15 izay voatonona anarana fa mpitarika ny fitokonana, tamin’ny alalan’ny talen’ny filaminam-bahoaka ao Toamasina ary nanasana ny lehiben’ny Faritra Atsinanana Mahavimbina Alain.

Nolazaina fa hisy ny fandaminana ny fitokonan’ny mpiasa sy ny fomba hatao hamerenana ny asa andavanandro ao amin’ny Kaominina. Nisy mihitsy naoty navoakan’ny PDS milaza fa “miantso ny mpiasa tsy ankanavaka hiverina hamonjy ny asany ao anatin’ny 24 ora, ary hamerina ny fitaovana rehetra ihany koa ao anatin’ny 24 ora. Raha dila izay dia handray fepetra ny Kaominina”. Ora iray taorian’ny namoahana ilay naoty anefa dia nandray fepetra ny Lehiben’ny Faritra Atsinanana fa “mihantona aloha ny naoty noraisin’Atoa Rakotovao Mariot, mandra-pisy ny fifandinihana eo aminy sy ireo mpiasa mitokona, hitadiavana ny vahaolana maharitra amin’ny olana nahatonga ny fitokonana”. Nisy hatrany ny fihaonana teo amin’ireo mpiasa mitokona sy ny Atoa Mahavimbina Alain. Tsy nisy nipika anefa ny dinika.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT