Kaominina Talatan’i Volonondry

Mandresy i Toky kandidan’ny TIM, hitondra rivo-baovao…


  • Talata 17 Desambra 2024

Araka ny vokatra vonjimaika izay navoakan'ny CENI ny alahady hariva dia mandresy ary mitarika amin'ny Salanisa 46,44 %

sy isam-bato 2676 ny Kandidan'ny antoko Tiako I Madagasikara ao amin'ny kaominina Talata Volonondry, Rakotondrazaka Toky izay mitondra ny laharana fahatelo. Nandritra ny fampielezan-kevitra no efa tsapa fa nirona tany amin'i TOKY ny safidin'ny ankabeazan'ireo mponina noho ny fananany vina azo tanterahina tsara fa tsy nofinofy, ka io voaporofo tany amin’ny latsa-bato io. Mifototra amin'ny fampivoarana ny tantsaha izay mandrafitra ny 80% ny vahoaka amin'ny maha Kaominina Ambanivohitra an'i Talata Volonondry ao anatin’ny distrikan’Avaradrano no vina nentin’ity kandida vao erotrerony ity. Eo ihany koa ny fananany fahalalana manokana sy traikefa amin'ny resaka fitantanana Kaominina sy fampandrosoana eny ifotony ka ampahany amin’izany ny fananany mari-pahaizana ambony mahakasika ny "Développement local", nahavita fiofanana manokana momba ny fitantanana Kaominina ADL na "Agent de développement Local, efa Consultant teny anivon'ny Kaominina maromaro,… Isan'ny mampiavaka an'i Talata Volonondry sy mampalaza azy hatrany ivelany moa ny fivarotana Koba sy sôsisy, ka anisan’ny mpandraharaha amin’io ity ben’ny tanàna vaovao ity. Mahalala tsara ireo olana sy ny fomba hampiroboroaboana ny varotra sy ny famokarana ka antenain’ny vahoaka fa vao mainka hisandratra avo ny lazan'ny Koba sy Sôsisin'i Talata amin'izao fahalaniany ho Ben'ny Tanàna izao!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT