Ny 80%-n’ny vina napetraka no tanteraka tao anatin’ny kaominina Talatamaty,
distrikan’Ambohidratrimo tao anatin’izay efa-taona nitantanan’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic izay. Ny 20%-n’ny asa sisa araka izany no hotohizany raha sitrapon’Andriamanitra miankina amin’ny fandaminana hapetraky ny tompon’andraikitra eto amin’ny tany sy ny firenena hoy izy. Afa-po tamin’ny asany vitany ity Ben’ny tanana ity tamin’ny ankapobeny raha araka ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety omaly . Na izany aza dia mbola vonona ny tenany hanolo-tena ho amin’ny fanasoavana ireo vahoaka ao Talatamaty, indrindra fa amin’ny resaka foto-drafitrasa. Hamboarina avokoa ireo lalankely sisa tsy vita tamin’ny taon-dasa raha araka ny fanazavany. Hojerena akaiky ihany koa ny lafin’ny fandriampahalemana raha tsy latsa-danja amin’izany ny sosialim-bahoaka. Ho an’ity farany manokana dia marobe ireo ezaka efa natao hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity. Anisan’izany ny fanamboarana sekoly ka hisy ny vao hotokanana amin’ity taona vaovao ity. Efa nisy ny fametrahana jiro manazava ny tanana, ny fananganana paompin-drano fisotro madio, ny fitondrana ireo mpianatra afaka baka nanao vakansy tany amorontsiraka, ny fanomezana fitaovana sy masomboly ireo tantsaha mpamokatra, ny fanofanana ny tanora….Tsiahivina moa fa tapitra omaly Alarobia 10 Janoary ny fepotoam-piasan’ireo Ben’ny tanana miisa 1800 manerana ny Nosy. Betsaka ireo mbola nanohy ny asany araka izany hatramin’ny omaly mandrapiandry izay fanapahan-kevitra havoakan’ny Ministeran’ny Ati-tany amin’ny herinandro ho avy io.
Pati
Legende : Izy no Raharinoasy Elie Dominic, Ben’ny tananan’ny kaominina Talatamaty !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.