KAOMININA TALATAMATY

Hahazo birao fiasana vaovao


  • Alakamisy 30 Mey 2024

Ela ny ela fa hahazo birao fiasana vaovao ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

Anisan’ny vina voalohany napetraky ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic izy io nanomboka tamin’ny fotoana niadidiany ny tananan’i Talatamaty raha araka ny fanazavany ary izao tanterahiny soa aman-tsara izao. Vokatry ny fanampian’ireo malala-tanana sy ireo orinasa eo amin’ny manodidina no angady nananana sy vy nahitana izany, foto-drafitrasa izay ahitana efitrano tsy latsaky ny 8. Ao anatin’ny 6 volana no hanatontosana ny asa, izay efa mandeha amin’izao fotoana izao. Samy hahazo anjara ao amin’io birao vaovao tsy lavitry ny biraon’ny kaominina amin’izao io avokoa ireo sampandraharaha rehetra misy eo anivon’ny kaominina. Anisan’izany ny fanamboarana ny karapanondrom-pirenena…Ahitana efitrano lehibe iray ihany koa ao amin’ity foto-drafitrasa vaovao ity raha misy rihina iray no handrafitra azy manontolo. Nomarihin’ity Ben’ny tanana iray ity moa fa ny birao fiasana no fitaratra ho an’ny kaominina iray. Ho an’i Talatamaty manokana dia efa antitra dia antitra ny foto-drafitrasa satria efa mihoatra 30 taona tany ho any raha kely no nijoroany. Nisy ihany ny asa fanavaozana natao nandritra izany saingy ny fananana trano fiasana vaovao no hita fa tena vahaolana maharitra.
Pati
Legende : Ny biraon’ny kaominina vaovao vao hatsangana amin’izao sy ny teo aloha !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT