Kaominina miisa 38 anaty IPAM

Hifanaraka momba ny fepetra raisina mikasika ny fitaterana


  • Alarobia 19 Martsa 2025

Notontosaina omaly tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo, etsy Analakely,

ny fivoriana manaraka nataon’ireo ben’ny tanàna miisa 38 eto Antananarivo sy ny manodidina mivondrona anatin’ilay antsoina hoe IPAM. Iarahanay mijery ny olana mikasika ny tanàna iadiadianay tsirairay, hoy ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, Harilala Ramanantsoa. Resy lahatra izahay, hoy izy, fa vesatra ho an’ny kaominina ny fandaniana eo amin’ny resaka fandaminana ny lafiny fako. Mbola tsy tena misy ny rafitra ahazoan’ny kaominina tsirairay manodina ny fako ahazoany tamberim-bidy. Nanapa-kevitra izahay fa kaominina miisa 12 manodidina an’Antananarivo, taorian’ny fanadihadiana na «étude» natao niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka, no hanaovana tolo-bidy na «appel d’offre» amina orinasa vonona hanodina ny fako any amin’ireo kaominina ireo. Nangataka tamin’ny minisitera izahay mba hanamoràna izany fifanarahana izany. Ho an’ny fitaterana kosa dia ho atao izay hitovian’ny lamandy ampiharin’ireo kaominina rehetra. Mikasika ny haba sy vola alaina amin’ireny fiantsonam-piara samihafa ireny kosa dia ny kaominina no mandamina izany. Tanjona ny hananana tanàna milamina sy mirindra ary vahoaka afa-po amin’ny lafin’ny fitaterana, hoy hatrany ny fanazavàn’ireto ben’ny tanàna ireto. Hifanaraka momba ny fepetra raisina mikasika ny fitaterana, araka izany ireo kaominina mpikambana anaty IPAM.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT