Politique

Kaominina manerana ny Nosy 1315 no efa nahazo ilay 30 tapitrisa Ar


  • Alakamisy 22 Jona 2023

Kaominina 1 315 amin’ny 1 695 manerana ny Nosy no efa nahazo ny fanampiana na « subvention » 30 tapitrisa Ar avy ho an’ny taona 2023, raha ny tatitry ny Minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin.

Napetraka ho tanjona ny hanatratra ny fahazoan’ny kaominina rehetra ny anjarany mialohan’ny fetim-pirenena ny 26 jona raha ny nambaran’io minisitra io, nanoloana ireo mpikambana eo anivon’ny Antenimierandoholona ny talata teo. Nambara moa fa tafiditra ao anatin’ny ezaky ny governemanta hampiroborobo ny fitsinjaram-pahefana izao, ka notsiahiviny fa 15 tapitrisa Ar io vola io teo aloha, saingy nakarina 30 tapitrisa Ar. Zava-dehibe ny fampiakarana, fa raha atao kosa ny kajy tsotsotra, 50,8 miliara Ar io raha ampitomboina amin’ny isan’ny kaominina 1695 manerana ny Nosy, izany hoe: ampahefatra na ampahadimin’ny tetibolan’ny Fiadidian’ny Repoblika manokana, mety ampahafolon’ny tetibolan’ny minisitera sasany, ampahafiton’ny 77 tapitrisa dolara na 350 miliara Ar teo nanavaozana ny kianjan’I Mahamasina,… no hanohanana ny kaominina manerana ny Nosy. Nambara ihany koa moa fa nakarina ho 420 tapitrisa Ar ny fanohanana ny faritra raha 210 teo aloha, 2 miliara isaky ny faritra ny tetibola ho an’ireo faritra 23,… Ny olana, tsy mitovy ny velaran’ireo faritra sy ny filany, misy faritra toa an’Atsimo Andrefana misy distrika miisa 9 be izao, misy anefa distrika 2 ihany tahaka an’I Bongolava.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT