KAOMININA IVATO

Amboarina ny lalana, havaozina ny tranom-pokonolona


  • Alatsinainy 04 Martsa 2024

Mitohy ny asa fanamboarana ireo karazana foto-drafitrasa mifanaraka

amin’ny filan’ny mponina ao anatin’ny kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo. Taorian’ny nanavaozana tanteraka ny tranom-pokonolona ao Ilaivola izay efa mandeha tanteraka ny asa amin’izao fotoana izao dia fantatra fa hasiam-panamboarana ihany koa ireo lalan-dratsy eny ifotony izay hifamezivezen’ny mponina an-jatony isan’andro. Nambaran’ny Ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa fa tsy hisy ho diso anjara ny mponina manana olana amin’izany saingy tsy vita indray mandeha kosa ny asa. Nambarany fa tsy maintsy hamboarina avokoa ireny karazana foto-drafitrasa ireny saingy tsy maintsy alamina dia asesy, araka ny fitenin’ny tanora efa mahazatra. Afaka tezitra izay tsy tia fandrosoana hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity fa ny asa tsy maintsy mitohy. Efa nahazo ny anjarany tamin’ny fahavitan’ireo lalankely any an’elakelantrano moa ireo mponina ao Ankadindravola raha araka ny fantatra hatrany.
Pati
Legende : Ity ilay lalana hitalahoan’ny mponina ao Ivato asa fanamboarana amin’ny Ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT