Politique

Kaominina eto Madagasikara Hotantanana PDS avokoa ?


  • Sabotsy 13 Jolay 2019

Hatramin’izao dia tsy nivoaka ny didim-panjakana hiantsoan`ny governemanta ireo mpifidy handatsa-bato, izay araka ny lalàna 90 andro mialoha ny andro fandatsaham-bato.

 

 

 Ny 22 septambra ho avy izao no fepotoana farany hiasan’ireo ben’ny tanàna. Tranga roa no mety hiseho raha tsy vita aorian`io ny fifidianana. Voalohany, voalazan`ny lalàna fa raha tsy tanteraka ny fifidianana eny anivon`ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia afaka manendry ny filohan’ny delegasionina manokana (PDS) ny fanjakana hanao ny asan`ny ben`ny tanàna. Tsy fe-potoana lava be no hametrahana azy. Marihana fa tsy afaka hifehy irery izany izy fa misy rafitra miara-miasa aminy ao. Voafetra ihany koa ny fahefany sy ny fe-potoam-piasany. Raha fehezina, ny antom-pisiany dia ny fampandehanan-draharaha. Faharoa, azo halavaina ny fe-potoana hiasan`izy ireo. Tsy ny lalàmpanorenana mantsy no mamaritra azy fa ny lalàna. Araka izany, azon`ny fitondram-panjakana atao ny manalava ny fe-potoam-piasan`ny ben`ny tanàna.

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT