Kaominina Antananarivo

Tonga dia hitohy kandidan’ny IRK ny PDS Ramanambitana ?


  • Talata 05 Martsa 2024

Taorian’ny fanendrena ny Filohan’ny delegasionina manokan’ny

kaominina Antananarivo Atoa Ramanambitana Richard nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo, dia nanatanteraka ny famindran-draharaha taminy ny Ben’ny Tanàna teo Aloha Naina Andriantsitohaina omaly tolakandro. Niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny teto anivon’ny Fiadidiana ny Tanàna izany, hoy ny tatitra fohy. Raha ny re dia mbola hisy lanonana mitovitovy amin’io anio maraina. Elaela vao nivoaka ny anaran’ny PDS satria nanomboka ny 14 janoary ny fahabangana, ary efa taty amin’ny faran’ny febroary vao voatendry. Nialohavana fanovana lalàna fa tsy voatery ho mpiasam-panjakana ny olona azo tendrena ho PDS, izay manamafy fa kajy politika no tanjona. Atoa Richard Ramanambitana ve izany no tonga dia ho kandidan’ny volomboasary amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ? Hihakazakazaka ny famahana sy fanarontsaronana ireo olana maro mba hanatsaratsarana endrika ny kandida sy ny antokon’ny fitondrana ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT