Politique

Kaominina Antananarivo Renivohitra Tsy handroaka mpiasa


  • Zoma 27 Novambra 2015

Maro ireo vaovao tsy marim-pototra miely momba ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.

 

Nanazava ny zava-misy marina mikasika ny lafiny ara-pitantanana eo anivon’ny kaominina amin’izao fotoana izao mba tsy haha tompon-trano mihono ny mponina eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara ny sekretera jeneralin’ny CUA Andriamorasata Julien omaly teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely.

 

Tsahon-dresaka avokoa

Tsy mitombina ny fanodinkodinam-bola 805 tapitrisa ariary fanampiana tamin’ny fanombohan’ny taona 2015 nanatanterahana asa voafaritra mazava avy amin’ny minisitera izay efa naloan’ny mpitantam-bola monisipaly. Tsy maintsy manamarina ny fahavitan’ny asa kosa ny mpitantana vaovao mialoha ny fandoavana ny ambim-bola 60 tapitrisa ariary. Miara-miasa amin’ny fanjakana foibe sy ireo rantsamangaikany ny kaominina Antananarivo Renivohitra, araka ny toromariky ny ben’ny tanàna, notsindrian’Andriamatoa sekretera jeneraly. Tsy nandà ny rafi-pitantanana vaovao izay efa miasa eo anivon’ny kaominina izany ny prefektiora fa nandroso fanitsiana vitsivitsy kosa mba hifanaraka amin’ny lalàna, araka ny fanazavany. Diso tanteraka ny fampielezam-baovao ny amin’ny fametraham-pialana faobe satria tsy mbola voatendry hatreto ny talen’ny kabinetra sy ireo mpanolotsaina manokana. 

 

Fanarenana ara-pitantanana

Fanambin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny fitantanana mahomby. Anisan’izany ny famaritana andraikitry ny mpiasa sy ny fikirakirana ao anatin’ny mangarahara ireo antontan-taratasy rehetra mandalo eo anivon’ny kaominina, ny fampihenana ny isan’ireo sampandraharaha ho 9 raha 14 izy ireo teo aloha. Zava-misy ihany koa ny fitombon’ireo mpiasan’ny kaominina. Tafakatra 3.300 izy ireo ankehitriny raha 1.500 izany nandritra ny fe-potoam-pitantanan’ny ben’ny tanàna teo aloha Ravalomanana Marc. Manodidina ny 1,2 miliara ariary ny fitambaramben’ny karaman’izy ireo raha 360 tapitrisa ariary izany 10 taona lasa mahery. Tsy hisy anefa ny fandroahana mpiasa fa hotsinjaraina eny anivon’ireo boriborintany izy ireo hanaraha-maso ny fomba fiasa ho tombontsoan’ny mponina eto Antananarivo. Hojerena manokana ihany koa ny fanatsarana ny fidiram-bola sy ny fampiasana izany ho tena hisy akony amin’ny fiainana andavanandrom-bahoaka. Hampahafantarina tsy ho ela rahateo ny tetibolam-pandaharanasan’ny CUA. Efa hiaraha-mahita io ihany koa ny vokatry ny fifampitokisana eo amin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny alemà sy afrikanina tatsimo ary ireo firenen-kafa mbola ho avy. 

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT