Mitohy hatrany ny asa fampandrosoana tanterahin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra
. Nandray an’Andriamatoa Michel Figaud, ekônômista misahana ny fitantanam-bolam-panjakana eo anivon’ny kaomisionan’ny vondrona Eoropeanina indray izy, omaly maraina, tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely, taorian’ny nandraisany ireo delegasiona maro samihafa. Niompana tamin’ny fanatsarana ny fitantanam-bola miditra eo anivon’ny kaominina ny resaka nifanaovan’izy ireo tamin’izany, ho tombontsoan’ny mpitantana sy ny vahoaka malagasy. Narahin’ny fifampizarana traikefa teo amin’ny roa tonta izany, fihaonana izay naharitra ora maromaro ihany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.