Nanatanteraka fihaonambe, toy ny fanaony rehefa ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona, tao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina,
omaly, ny fianakaviamben’ny mpiasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izay nahitana ny Sendikan’ny mpiasa SMKAR (Sendikan’ny Mpiasan’ny Kaominina Antananarivo- Renivohitra) sy ny mpitantana notarihan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Nitondra teny ny mpiasa ny Filohan’ny sendika Rakotomaharo Tsinjo Ismaella, nangataka ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny Ben’ny tanàna. Maniry ny hiverenan’ny fitaterana ny mpiasa, ny hijerena akaiky ireo mpiasa efa misotro ronono sy ny tombontsoan’izy ireny, ary koa ireo vady aman-janaky ny nodimandry. Tsy nisalasala koa ny solontenan’ny mpiasa nilaza fa misy manipy hoditr’ankondro ny Ben’ny tanàna ka mila mailo sy jerena akaiky. Nitaky amin’ny fitondram-panjakana ny hanomezana ny fanampiana ara-bola ny Kaominina Antananarivo ihany koa ny filohan’ny SMKAR. Tsy tokony hitsabaka be fahantany amin’ny raharahan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra koa ny Fanjakana satria miteraka tsy fampandrosoana, hoy izy. Nahafaly ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny fahavononan’ny mpiasa. Tsy mitsahatra ny mandinika ny fampandrosoana ny tanàna andro aman’alina mitrotro am-bavaka ny tenako, hoy Rtoa Lalao Ravalomanana. Vonona ny hanavao koa ity farany fa mangataka fiaraha-miasa miaraka, fifanajana sy fifampatokisana, firaisankina, fahavononana ary fitiavana. Ny tanjona dia ny hitovizantsika amin’ny tany mandroso, hoy izy. Handray ny solontenan’ny mpiasa ny Ben’ny tanàna amin’ny alatsinainy izao hifampidinika amin’ny hampandrosoana ny tanàna. Nampanantena « prime » ho an’ireo mpiasa ihany koa ny tenany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.