KAOMININA ANDRANONAHOATRA

Ny 70%-n’ireo asa nampanantenain’ny Ben’ny tanana no vita


  • Talata 09 Jolay 2024

Ny 70%-n’ireo asa nampanantenain-dRasamison Hajaniriana Ben’ny tananan’Andranonahoatra

tamin’ireo vahoaka tantanany nandritra ny fampielezan-kevitra no fantatra fa vitany tao anatin’ny efa-taona nitondrany ny tanana. Amin’ny datin’ny 16 Jolay ho avy izao no hampisehoany sy hampahafantarany ny vahoakan’Andranonahoatra izany rehetra izany izay mivondrona ao anatin’ireo Fokontany miisa 7. Amin’ny alalan’ny fandefasana horonan-tsary mihetsika mirakitra ireo zava-bita no hanatontosany izany, lanonana hotanterahina ao an-tokontany malalaky ny kaominina. Nambarany nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly fa marobe ireo zava-bita teo anivon’ny kaominina ary saika miely patrana manerana ny Fokontany mihitsy izany. Sekoly ambaratonga fototra maromaro ohatra no nahavitany efitrano fianarana miisa 5 isanisany toy ny ao Andranonahoatra, Cite Akany Sambatra…. Nisy ihany koa ny CSB II vaovao vao vita ao Ambaniala izay misy efitrano fiterahana ho an’ny vehivavy, ny fizarana sakafo ho an’ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE farany teo sy ireo mpampianatra nitsara ny taratasim-panadinana, ny didim-poitra sy ny kopia faobe ary ny fampiroboroboana ny lafiny ara-panatanjahantena. Mikasika ireo 30% tsy vita kosa dia nambarany fa noho ny fisian’ny valan’aretina COVID 19 no antony ankoatra ny fahasahiranana ara-bola mianjady amin’ny kaominina.
Pati
Legende : Eo an-dalam-panamboarana ity lalana miakatra eo Betavoahangy ity indray ny kaominina amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT