Politique

Kaominina Ambatolahy Antanifotsy Romotry ny hatezerana ny vahoaka


  • Alatsinainy 14 Desambra 2015

Tena romotry ny hatezerana tanteraka ankehitriny ny vahoakan’ny kaominin’Ambatolahy any amin’ny distrikan’Antananifotsy Faritr’i Vakinankaratra noho ny fanoloana ny ben’ny tanàna am-perinasa izay lanin’izy ireo tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny fifidianana kaominaly farany natao teo

 

. Nambaran’ny solombavambahoaka any an-toerana, ny depiote Randriamampianina Ramilison fa tena mamim-bahoaka tokoa io ben’ny tanànan’Antanifotsy io  ary tena nahavita be tokoa. Porofon’izany efa in-3 lany tao an-toerana izay hitantana ny kaominina ary vao lany koa farany teo hanohy ny asa natao. Niasa an-kitsipo tokoa ity ben’ny tanàna TIM ity efa ho volana vitsivitsy izao nefa nesorina noho ny didy navoakan’ny fitsarana avo. Ny antony nitorian azy, hoy ny depiote Ndriana,  dia hoe ny filohan’ny  fokontany irery no nitondra ny voka-pifidianana kaominaly nandresen’ity ben’ny tanàna ity fa tsy nisy niaraka taminy ireo mpikambana tao amin’ny birao fandatsaham-bato noho ny fahamaizinan’ny andro tamin’ny fotoanandro sy nahareraka ireo namany hafa. Hay efa matipaika tamin’ny fitoriana tany amin’ny fitsarana avo ny tetika ary dia izao hoe nahazo rariny tany amin’ity fitsarana ambony nataony ity ny kandidà HVM izay resy an’isa be dia be tokoa tany aminay.   

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT