Kaominina Alasora

Mbola lany I Jimmy, mitohy ny fampandrosoana…


  • Talata 17 Desambra 2024

Araka ny vokatra navoakan’ny birao mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI

tamin’ny andron’ny omaly Alatsinainy 16 Desambra dia nivoaka ho mpandresy tamin’ny isam-bato 47,22% ny Kandida natolotry ny TIM ao anatin’ny Kaominina Alasora, Randriantsoa Jimmy. Mbola natokisan’ny mponina ao anatin’ity kaominina ny Ben’ny tanana teo aloha Randrantsoa Jimmy. Mbola nisafidy ny hanohy sy hitana azy izy ireo mandritra ny 5 taona ho avy. Sady tsy te-hanova no tsy te-hiala amin’ny mahazatra izy ireo raha bangoina. Olona tena akaiky vahoaka tokoa mantsy ity Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy ity. Mampandroso izy no sady tia mihaino ary mahalala sy mahafantatra tsara an’Alasora nandritra ny fotoana niasany tao anatin’ny 5 taona. Tsy mahagaga araka izany io vokatra azo io na dia teo aza ny fanaratsiana sy ny fanenjehana maro samihafa nandritra ny fotoanan’ny propagandy narahin’ny fizaram-bola tamin’ireo mpifidy feno 18 taona. Fantatryny vahoakan’Alasora anefa ny setroka sy ny tomany. Vahoaka tsy azo hambaika rahateo izy ireo. Eo am-piandrasana ny vokatra ofisialy havoakan’ny tribonaly administratifa ary dia miantso ny kandida mpifaninana rehetra mba hitodika ho an’ny fampandrosoana an’Alasora araka izay azon’izy ireo hatao avy ity Ben’ny tanana voafidy ity. Samy manana ny anjara biriky ny tsirairay eo amin’ny asa fampandrosoana hoy izy indrindra fa ny mpitarika ara-politika. Ny hahatonga an’ Alasora hiombonana mahate-honina no tanjona amin’izao 5 taona manaraka izao indray.
Pati
Legende : Nankasitraka ny vahoakan’Alasora ny Kandida Jimmy Randriantsoa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT