Tsy mahita hevitra hampitsaharana ny fitokonan’ny mpiasan’ny kaominina intsony ny ben’ny tanàna sy ny ekipany ao Toamasina ka lasa mampiasa “milisy” miandahy miambavy izay namoahana “badge” mihitsy omaly maraina mba ilazana azy ireo no mpiasan’ny kaominin’i Toamasina.
Ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna sy ny talen’ny fitantanana ny mpiasa ary ny talen’ny kabinetran’ny ben’ny tanàna, no fantatra fa mpanomana ny hetsika sy fakana ireo “milisy” ireo amin’ny alalan’ny baikon’ny ben’ny tanàna.
Torabato sy daroka
Teo am-panomanana ny hetsika fanakorontanana ny lapan’ny tanana fanaon’ny mpiasa isaky ny amin’ny 10ora fidirana biraon’ny ben’ny tanàna iny indrindra, dia tonga nanafika ireo mpiasa mivory ao ambany rihan’ny lapan’ny tanàna ireo “milisy”, miaraka amin’ny vato sy hazo misy fantsika ary kaboda efa nomanina manokana ny alin’ny talata tao amin’ny lapan’ny tanàna ihany. Saika hiditra handroaka ireo mpiasa mivory tao ambany rihana izy ireo, ka teo am-panokafana ny vavahady mihidy indrindra no tsy nanaiky ireto mpiasa ka namaly bontana ny daroka sy totohondry nataon’ireo “milisy”. Raikitra teo ny daroka hazo feno fantsika sy kaboda ary tora-bato nataon’ireo milisy. Namaly tamin’ny tora-bato ihany koa andanin’izany ireto mpiasa ao anatin’ny fefin’ny kaominina notafihana. Vokany, mpiasa am-polony naratra mafy, mpiasa iray hafa kosa tsy mahatsiaro tena ary miady amin’ny fahafatesana hatramin’ny omaly, noho ny daroka vato natao tamin’ny lohany izay mandalo fitsaboana eo anivon’ny hopitaly be. Nodarohan’ireto milisy moa ity mpiasa ity raha iny izy hamonjy fodiana iny tsy lavitry ny hopitaly kely tokony tamin’ny 12ora antoandro. Nisy ihany koa ny fifanenjehana teo amin’ireo “milisy” vavy sy ireo mpiasa vavin’ny kaominina. Nandritra izay anefa, miezaka mandamina ny raharaha amin’ny fifampiresahana teo amin’ny mpiasa andaniny sy teo amin’ny ben’ny tanàna sy ny ekipany ankilany ny ekipan’ny emmo-securité; izay nanaisotra ireo sora-baventy narantin’ireo mpifanandrina ihany nandritra izany, hampitoviana ny tadin-dokanga eo amin’ny mpiasa sy ireto “milisy”. Tao anatin’ny sakoroka dia tsy lavitra teo ny ben’ny tanàna voadidina “milisy” ihany koa miambina azy, manome baiko ireo ekipany amin’ny tokony hatao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.