Politique

Kaominin´i Toamasina I Hafahafa ny fandehan’ny raharaha


  • Alarobia 09 Novambra 2011

Mampanahy be ihany ny fandehan’ny raharaha eo anivon’ny Kaominina Toamasina I.

 Mandeha mantsy ny resaka ankehitriny fa misy mikotrika ny hampiadiana ny mpiasa samy mpiasa, ny mpiasa sy ny mpitandro ny filaminana ary ny olon-tsotra sy ireo mpiasa mitokona. Izany dia mba hahafahana manarona ny vola amina miliara navoaka teo anivon´ny Kaominina nefa tsy mazava ny antony. Ankoatra izay dia voamarin´ny mpitandro ny filaminana araka ny porofo eo am-pelatanan’izy ireo koa fa nampitondraina sy nitondra fitaovana toy ny sabatra sy kibay misy fantsika ary zava-maranitra hafa ireo valo lahy nirahina hanakana ny fidiran´ireo mpiasan’ny Kaominina mitokona tsy hiditra ny faritry ny “voirie” ny alatsinainy teo.

Ankoatra izay, dia fantatra koa izao fa tsy nisy vadintany nampanaovina tatitra sy nanara-maso ny fakana ireo fitaovam-panjakana teo anivon´ny voirie ny sabotsy 05 novambra teo. Vokatry ny zava-misy sy ny ahiahy, dia niala an-daharana ny Emmo-Reg satria tapitra koa ny fe-potoana araka ny lalàna tamin´ny fametrahana ny filaminana nangatahan´ny PDS. Niverina tao amin’ny “voirie” ireo mpiasa mitokona omaly, ary tsy miova ny fitakian´izy ireo dia ny fialan´ny PDS amin’ny toerany.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT