Politique

Kaominin’i Toamasina Hahantona amin’ny asany ny PDS ?


  • Talata 18 Oktobra 2011

Tsy ho ato ho ato no hiravona ny raharaha Kaominin’i Toamasina renivohitra, raha ny zava-misy omaly no jerena.

 Mbola nifamory tahaka ny fanaony ny mpiasa, ary dia miditra amin’ny herinandro faha-03 nanomboka omaly ny fitokonan’izy ireo. Mbola nanamafy ireo mpiasa ireo fa “tsy misy hiasa mihitsy raha tsy sahy mandray ny andraikiny ny fanjakana tokony hanao izany”. Nambaran’izy ireo anefa fa nikasa ny hanao ‘service minimum’ izy ireo nanomboka omaly, saingy “nohararaotina izany fikasanay izany ka najanonay avy hatrany”. Ankilany, be fanantenana ny hiverenany amin’ny asa ireto mpiasa raha ny tatitry ny iraka nalefan’izy ireo teto Antananarivo. Raha io tatitra io mantsy dia efa mahalala ny tena marina mahatonga ny fitokonan’ireto mpiasa ireto ny ministeran’ny atitany mpiahy, toraka izany koa ny fiadidian’ny prezidansa.

Voalazan’ireo iraka nanao ny tatitra, fa dia “handray ny andraikiny ireo tompon’andraikitra ireo”. Midika izany, hoy hatrany ireto iraka ireto fa “hihantona amin’ity herinandro ity amin’ny asany ny PDS, mba ahafahafan’ny asan’ny Kaominina mitohy, fa mijaly ny vahoaka mpandoa hetra sy mila ny servisin’ny Kaominina”. Ankoatra izany, mbola nohizingizinin’ireto mpiasa mitokona ireto fa tsy misy mpiasa an-tselika izany eo anivon’ny Kaominina Toamasina raha ny lalan’ny asa no arahina, satria efa mihoatra ny herintaona niasana avokoa ireo mpiasa ambara fa an-tselika ireo, ary mandray karama isam-bolana no mahafeno ny asa 20 andro ao anatin’ny iray volana, nefa tsy nomena ny zony dia ny Cnaps sy ny OMSI izany. Ho hita eo indray izay ho tohin’ity raharaha ity anio satria dia hivory koa ireo mpanolotsain’ny tanàna manomboka anio ary haharitra roa andro, izay hidinika ny fitantanana ny Kaominina.
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT