Politique

Kaominin’i Antananarivo Renivohitra Mifampihaino ny mpitantana sy ny mpiasa


  • Zoma 18 Desambra 2015

Manga ny lanitra eo amin-dramatoa Lalao Ravalomanana ben’ny tanŕnan’Antananarivo sy ny mpiasan’ny kominina.Nihaona voalohany tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina omaly ny roa tonta.

 

 Fotoana nahafahana nifanatri-tava sy nilaza ny tokony holazaina rehetra io. Tsy nisalasala ireo mpiasa fa tena nilaza ny hetahetany, anisan’izany ny mba handraisana karama mialoha ny 25 desambra fetin’ny noely, eo ihany koa ny fanomezana tambin-karama amin’ny faran’ny taona 2015 na ilay antsoina hoe 13ème mois. Fanirian’ireto mpiasan’ny kaominina ireto ihany koa ny fijerena akaiky ny  fahasalaman’ny mpiasa amin’ny alalan’ny  fizarana fanafody sy ny fanaovana “prise en charge”. Eo amin’ny sehatry ny asa dia misy ny tokony halamina tsara, hoy ireo mpiasa ka raha misy mpiasa nanao ny tsy nety na diso dia fanasaziana aloha no dingana voalohany mialoha ny fandroahana raha toa ka tsy mety manitsy tena io mpiasa io. Zava-dehibe ho anay ihany koa ny fijerena manokana ny momba ny fikambanan’ny mpiasan’ny CUA, hoy izy ireo. Vonona mandrakariva hihaino ny hetahetan’ny mpiasa aho, hoy kosa ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ary hanao izay tratry ny heriko mba tsy handiso fanantenana ireo mpiasa. Tokony hifampitaiza ny mpiasa sy ny mpitantana, hoy i Neny ary nambarany fa mbola hisy ny fampiantsoana ny mpiasa isan-tsokajiny amin’ny fandaminana ny asa sy ny fampandrosoana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Amboarina sy hatsaraina ihany koa  ny kianja mitafon’i Mahamasina, hoy ny ben’ny tanàna.


RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT