Hitohy anio ny fanadiovana ireo lakandrano eto Antananarivo Renivohitra mba hahafahan’ny rano mikoriana tsara mivoaka ny tanŕna. Hisy ihany koa ny fepetra tsy maintsy horaisina amin’ireo olona mbola minia manentsina ihany ny tatatra
. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy narahan’ny APIPA sy ny avy ao amin’ny Care teny Anosizato sy Anosibe omaly ka tsikaritra tamin’izany ny fisian’ny fanentsenan’ireo mponina sasany tsotra izao ny lakandrano. Tsy azo ekena izany hoy ny avy ao amin’ny kaominina, izay manentana hatrany ny isam-batan’olona sy ny isan-tokantrano mba ho tompon’andraikitra ka tsy hanary fako anaty tatatra intsony mba hisorohana ny fiakaran’ny rano tsy ho azo fehezina eto rehefa tonga ny orambe mikija.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.