Hifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao 2018 ny vahoakan’Andoharanofotsy ny alahady 22 Aprily ho avy izao.
Eny amin’ny By pass Iavoloha no hanatanterahana izany, hetsika efa fanaon’ny mpitantana hatramin’ny naha-Ben’ny tanàna an-dRanirison Hasina. Hampahafantarin’ity Ben’ny tanana ity amin’io andro io araka ny fanazavany ny asa vitany teo anivon’ny kaominina nandritra ny telo taona nitantanany. Hisy ihany koa ny trano eva entina hampahafantarina ny sampandraharaha tsirairay avy misy eo anivon’ny kaominina arahin’ny asa hiandraiketan’izy ireny. Afaka mitafa mivantana amin’ireo mpiasan’ny kaominina araka izany ireo vahoakan’Andoharanofotsy mikasika ireo fanontaniana mety manitikitika azy. Tsiahivina moa fa hohafanain’i Bodo sy Jerry Marcos ny lanonana. Ny zandarimariam-pirenena ao Andoharanofotsy, ny pôlisy nasionaly ao Tanjombato, Mahabo ary Andoharanofotsy no hitandro ny filaminana mandritra izany hotronin’ireo pôlisy kaominaly ao Andoharanofotsy sy ireo kartie mobila. Tsy misy ny vidim-pidirana.Hatolotra amin’io andro io ihany koa moa ny amboara ho an’ireo nandresy tamin’ny fifaninana ara-panatanjahantena kaominaly tamin’ny taona 2018 sy ireo ekipa nandrombaka ny amboara tamin’ny fifaninana ara-panatanjahantena an-tsekoly nokarakarain’ny ZAP Andoharanofotsy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.