Miankina amin'ny fanapahan-kevitry ny filoha Ravalomanana ny filatsahany hofidiana, hoy i Olga Ramalason, sekretera jeneralin'ny antoko TIM.
Nambarany fa antoko mbola manana ny tanjany ny Tiako I Madagasikara. Andrasan'ny besinimaro ny firotsahan'ny filoha nasionalin'ny TIM ho kandidà ben'ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra. Nohamafisiny fa i Marc Ravalomanana no tompon'ny teny farany. Mbola mandresy lahatra azy ny antoko, ka miandry isika, hoy izy. Amin’ny faran'ny herinandro ity no ho fantatra amin'ny fomba ofisialy izany. Mbola manamafy ny tanjany hatrany ny TIM manerana ny nosy satria mameno ny faritra izy ireo, hoy hatrany ny fanazavana. Ny olom-boafidin'ny antoko TIM tamin'ny fifidianana depiote dia nanaraka fiofanana sy atrikasa maromaro vao tonga tamin'ny toerany. Antenaina ho toy izay ihany koa ireo kandidà ben'ny tanàna.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.