Kandidan’ny TIM ao Andoharanofotsy

« Mpifaninana 3 izahay no miray hina hanohitra ny hosoka »


  • Talata 29 Oktobra 2024

Vanim-potoana mialohan’ny fampielezankevitra isika izao, hoy ny kandidà ho ben’ny tanàna atolotry

ny antoko politika Tiako i Madagasikara na TIM eny Andoharanotsy, Fanja Raharimanana. Azo lazaina ho efa voatety, hoy izy, ny ankabeazan’ny fokontany namantarana ny filàn’ny vahoaka eny ifotony ka nahafahana nandrafitra ny vinam-piarahamonina entina hampandrosoana an’Andoharanofotsy. Ao anatin’izany dia efa tsikaritra sahady ny karazana lalao maloto ataon’ny sasany raha tsy hilaza afa-tsy ny hoe misy ny fanangonana kara-panondro, ny fanangonana kara-pifidianana sy ny fanovàna ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana isaky ny fokontany. Miara-miasa amina mpahailalàna izahay ary kandida miisa 3 ankehitriny no miray hina hanohitra ny mety ho endrika hoso-pifidianana rehetra. Mba tsy hanaovanaovam-poana dia niara-niasa amin’ny vaditany mihitsy izahay nanamarina izany. Efa misy ny fandraisana andraikitra nataonay. Ny paikady hisorohana izany hoso-pifidianana izany moa heverina fa mba tsiambaratelonay. Vao naheno feo izahay hoe misy ilay fanangonana kara-panondro na kara-pifidianana sy ny fanovàna sefo fokontany, vao tamin’ny herinandro izao nisy ilay fanovàna mpikamban’ny biraom-pifidianana ary voamarina hoe saika ireo fokontany miisa 8 dia nahitàna izay fanovàna izay avokoa, dia noraisinay ny andraikitray. Raha ny fahalalanay azy dia tokony hisy fampiantsoana fivoriam-pokonolona vao manisy izany fanovàna izany. Laharam-pahamehana eto Andoharanofotsy, raha iverenana kosa ilay resaka vina teo, ny resaka fampianarana sy fahasalamana. Ao ihany koa ny fanatsaràna sy fananganana foto-drafitrasa, ny fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ny fanadiovana sy fidiovana ary, mazava ho azy, ny resaka fiahiana ara-tsosialy sy ny fandaminana ny resaka fitaterana sy ny tsena, hoy hatrany ity kandida mitondra ny laharana voalohany na n°1 ao an-toerana ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT