Kandidan’ny Kristianina manao politika sy ny TGV

Mety hifanena anaty fifanehoan-kery…


  • Alarobia 06 Septambra 2023

An-kafaliana lehibe no anambarana amintsika vahoaka malagasy iraimanontolo fa ny alarobia 6 septambra 2023

amin’ny 10 ora maraina eo Anosibe no fotoan-dehibe hifampitaomantsika hametraka ny antotan-taratasy firotsahana ho fidian'i Eliace Ralaiarimanana, ilay nomen'Andriamanitra ny fanalahidin'i Madagasikara, hoy ny fanambaran’ny kandida ho filoham-pirenena avy amin’ny antoko politika Kristianina manao politika, Eliace Ralaiarimanana, tao amin’ny tambazotran-tseraserany omaly. Hanandrana hanao fanehoan-kery miainga eo Anosibe miaraka amin’ireo mpanaradia aminy ho eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC Ambohidahy, araka izany, ity kandida ity hanatitra izay antotan-taratasiny izay. Etsy ankilany dia andrasana koa ny fanambarana miezinezina ho heno ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina ao izay hiheverana fa hivoahan’izay ho kandidan’ny antoko politika tarihin’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, dia ny TGV na Tanora malagasy vonona izany. Ho kandidan’ity antoko ity ihany ve ny filoham-pirenena ankehitriny sa tsia? Handray ny atotan-taratasy filatsahan-kofidiany ary hanaiky ny ho firotsahany ho filoham-pirenena malagasy fanindroany ve ny HCC na dia eo aza ity fanenjehana mamaivay mihatra aminy noho ny hoe tsy fananany zom-pirenena malagasy intsony fa tokana ihany dia frantsay ity? Mety hifanena anaty fanehoan-kery, araka izany, ny kandidan’ny Kristianina manao politika sy ny TGV satria vinaniana ho samy hanatitra ny kandidany avy ho eny Ambohidahy. Ny iray hiainga etsy Anosibe. Ny iray etsy Mahamasina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT