Kandidan’ny IRMAR resy

Miantehitra mafy amin’ny HCC…


  • Talata 11 Jona 2024

Iray andro nialohan’ny hamoahana ny valim-pifidianana vonjimaikan’ny CENI anio,

nisy omaly ny fanambarana nataon’ireo kandidam-panjakana ratsiratsy toerana, ka nilaza fa ny Vondrona IRMAR irery ihany no nahavita naha-henika ny fari-pifidianana amin’ny disitrika rehetra manerana ny Nosy tamin’ny fanolorana kandida, ka mitombona raha izy no hanana ny maro an’isa eny amin’ny Antenimierampirenena. Nolazaina fa tsy manana kandida afa-tsy 66 manerana ny Nosy ny vondron’ny mpanohitra, ka tsy mahatratra ny atsasa-manilan’ny isan’ny solombavambahoaka fidiana manerana an’i Madagasikara akory. Tondroin’ireto IRMAR ireto ho mitombona ny fananganana ny Komity miaro ny safidim-bahoaka satria amin’izy ireo dia tsy hahazo ny maro an’isa eny amin’ny Antenimierampirenena mihitsy ny mpanohitra. Nolazaina ho fanakorontanana hikendrena fanonganam-panjakana ny fananganana ny KMSB. « Toherinay amin’ny herinay rehetra izany. Maneho firaisankina feno ary manohana tsy misy fepetra ireo kandida IRMAR rehetra manerana ny Nosy izay niharan’ny hala-bato sy ny hosoka ary manantena sy mino fa hamoaka ny marina rehetra sy hitsara araky ny rariny sy ny hitsiny ny HCC mba tsy ho sanatria ny olona mpangala-bato sy mpanao hosoka ary mpanao kolikoly indray no hasandratra ho solombavambahoaka », hoy ireto IRMAR ireto. Mahatoky fatratra ny HCC hanome vahana azy ireo ny IRMAR, ka nilaza fa ny CENI dia mamoaka fironam-bokatra fotsiny ihany araka ny voalazan’ny lalàna fa ny HCC irery ihany no mamoaka ny vokatra tena izy, ary afaka manitsy ny fironam-bokatra rehefa voaporofo ny marina rehetra mifototra amin’ireo antontan-taratasy fanaporofoana rehetra entina eo anatrehany. Tonga hatrany amin’ny hoe : miantso ny vahoaka malagasy rehetra ho tony mandrakariva araka izany na inona na inona fironam-bokatra avoakan’ny CENI dia izay ambaran’ny HCC aorian’ny fitsarana ataony ihany no vokatra tena izy. Tsy manome vahana ny IRMAR izany ny vokatry ny CENI fa ny an’ny HCC no tena andrasany ? Saika ireo kandida vizana any amin’ireo distrika nirotsahany moa no tazana tao anatin’ity fanambarana ity, toy ny kandida IRMAR tao Faratsiho Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, ny tao Port Bergé sady Filohan’ny Vondrona Parlemantera IRD izay novizan’ny vahoaka tanteraka tany anaty latsabato Atoa Velontsara Paul Bert, ny kandida tao Manjakandriana Atoa Solofo Jocelyn izay tsy nahovoka ny kandidan’ny FIVOI sy ny Firaisankina, ny tao Arivonimamo Ratovoandravoavy Andrianiana izay vizan’ny FIVOI nahazo vato 78% mahery hatreto, ny tao Soavinandriana Fhy Razaiharimalala izay resin’ny tsy miankina, ny tany Fandriana Solo Andriamampisoa izay tsy nahovoka ny kandida tsy miankina, ny kandida tany Vohipeno Atoa Tsabotokay Honoré izay tsy tafavoaka hatreto, ny kandida tao amin’ny Boriborintany V Atoa Naivo Raholdina izay nihirahira poa-droa saingy lasa aorian’ny Firaisankina,… Misy ireo tafiditra laharana faharoa ihany any amin’ireo distrika misy depiote roa fa ao ny miantehitra mafy ny HCC hipasoka daomy !
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT