Kandidan’ny FTT

“Ny fanarahan-dalàna no hampilamina ny firenena”


  • Alatsinainy 11 Septambra 2023

Iray amin’ireo 13 nankatoavin’ny HCC ny firotsahan-kofidian’ny kandida Tahina Razafinjoelina narotsaky ny vovonana Tia Tanindrazana.

Miarahaba ny vahoaka Malagasy, dia misaotra an’Andriamanitra fa tafiditra tamin’ireo 13 voasafidin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny tenako. Ankehitriny dia miantso ny tsirairay sy ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay amin’ny fanajana lalàna amin’ny ho avy. Izay efa lasa lasa fa ny ho avy no andeha hobanjinina. Mbola lavitra no alehan’ity firentsika ity, miantso ny hanajana ny lalàna raha mety raha azo atao, ary eo ianareo mpahay lalàna mahay ny asanareo ianareo! Izahay kosa dia hanara-dalàna, teny no homenay fa hanara-dalàna, ary tsy hiala amin’ny lalàna velona eto Madagasikara. Koa antenainay fa mba hampilamina sy hampety ity firenena ity, mandritra izao fotoana izao, manomboka amin’izao fotoana izao ka mandra-pahatonga izany fotoam-pifidianana izany, dia maniry izahay raha maniry ny hanajana ny lalàna velona eto Madagasikara…”, hoy I Tahina Razafinjoelina taorian’ny fivoahan’ny lisitra ofisialy ny sabotsy teo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT