KANDIDAN’NY FIRAISANKINA AO AVARADRANO

Mitety kaominina mampahafantatra ny filatsahany


  • Talata 16 Aprily 2024

Mitohy hatrany ny fitetezana ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’Avaradrano tanterahin’ireo Kandida Solombavambahoaka

avy amin’ny Vovonana Firaisankina tarihin’ny Ben’ny tananan’ny Sabotsy Namehana Avotraina Andriamosa. Ankoatra ny fampahafantarana ireo vahoaka eny ifotony ny filatsahan’izy ireo dia misy ihany koa ny fampahalalana ny antony nisafidianan’ny filoha teo aloha Ravalomanana azy roalahy ireto. Ho an’Atoa Avotraina Andriamosa dia fantatra fa efa filohan’ny DisTIM ny tenany tamin’ny taona 2007.Efa 17 taona ny nitantanana ny tananan’ny Sabotsy Namehana ihany koa izay izay nahitana taratra ny fandrosoan’ity tanana ity tamin’ny alalan’ny traikefa nananany. Toraka izany koa Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’Alasora izay lisitra faharoa. Nampiavaka ity farany indray ny resaka fitantanana izay nahitana taratra feno ny maha-olon’ny antoko Tiako I Madagasikara azy. Tsy nikatsaka afa-tsy ny resaka fampandrosoana ity Ben’ny tanana farany, fomba fisainana azony sy noratoviny tamin’ny filoha teo aloha Ravalomanana. Mendrika ny ho entina eny anivon’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza izany hoy hatrany izy roalahy kandida solombavambahoaka eny Avaradrano ireto nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoaka.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tananan’Alasora Randriantsoa Jimmy an-kavanana sy ny Ben’ny tananan’ny Sabotsy Namehana Avotra Andriamosa an-kavia !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT