Kandidan’ny movansy Ravalomanana

> Nomena helikoptera mihitsy


  • Talata 10 Desambra 2013

Haingam-pandeha toy ireo angidimby nomen’ny filoha Ravalomanana azy ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandidŕ solombavambahoaka natolotry ny filoha Ravalomanana ao anatin’ny Movansiny.

Omaly alatsinainy 09 desambra dia nomena angidim-by iray mihitsy izy ireo nitetezana ireo Kaominina maromaro ao Vakinankaratra niaraka tamin’ny minisitry ny varotra Olga Ramalason. Tany amin’ny Distrikan’Antanifotsy no nanomboka ny fitetezam-paritra ka ny kandidà Sely Tiana no naseho vahoaka tao amin’ny Kaominin’i Belanitra. Taorian’izay dia ny Distrikan’Antsirabe faharoa indray no notsidihina ka ny kandidà José Randrianantenaina no naseho tao amin’ny Kaominina Ibity sy Tsarahonenana-Sahanivotry ary taorian’izay dia ny kandidà Michel Ambalavato no netina nitety an’Antsirabe tamin’ireo Fokontany maromaro. Na dia tampoka aza moa ity fitsidihana ity dia tonga maro hatrany ireo vahoaka. Nambaran’ny mpitarika fa noho ny fisian’ireo kandidà maro ao anatin’ny movansy no nandefasan’ny filoha Ravalomanana ity angindimby ity mba hampahafantarana marina ireo kandidà tena tohanany sy miaraka aminy ary manohana feno ny kandidà Dr Robinson Jean Louis mba tsy hofitahana ny vahoaka. Nanamafy izany rahateo i Dada fa mila manohana ireo kandidà solombavambahoaka tohanany ireo ny vahoaka satria misy asa goavana tiany hatao ao Vakinankaratra.

Caüis Raharison

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT