Kandidan’ny MAMIMI

> Mitsangana fa tonga ny fahazavanao !


  • Alatsinainy 16 Desambra 2013

Mitohy ny fanentanana sy ny fandresen-dahatra ny mpifidy ataon’ny Malagasy Miray sy Mifankatia (MAMIMI) Toamasina, hampandaniana ny kandida Andrianiarifera Malalaniaina (Naina) solombavambahoaka sy Dr Robinson Jean Louis filoham-pirenena.

Ny sabotsy teo sady ho fanatanjahantena ny tanora no fanohizana ny fampielezan-kevitra dia nisy ny fifaninanana lalao baolina kitra. “Mitsangana, Mihazava, fa tonga ny fahazavanao”, no mibaiko ny MAMIMI Toamasina amin’izao fanolorany kandida depiote sy fanohanany ny kandida Robinson Jean Louis izao. Noho izany, hoy ny kandida Naina dia “asa araham-pinoana, tena ho mpitondrateny marina ny vahoaka, ary tena ho filoham-panjakana mahatsapa ny fahoriam-bahoaka, no tanjona”. An-kilan’izay, raha sahirana ny fakana fahazoan-dalana mamory vahoaka amin’ny fampielezan-keviny ny MAMIMI, dia mitohy kosa ny fitetezam-pokontany sy tokantrano fihaonana mivantana amin’ny vahoaka sy ny mpifidy. Ankoatra izay, dia hisy koa ny fanofanana ireo mpiandraikitra ny biraom-pifidianan’ny MAMIMI, izay hisahana ny fifidianana filoham-pirenena sy depiote, mba hanao andrimaso ny fizotry ny fifidianana sy ny fanisam-bato any amin’ny biraom-pifidianana rehetra any satria dia efa miely ny resaka fa hisy ny hala-bato.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT