Kandidam-panjakana sasany

Ara-bakiteny ny fanaovana taingim-bozona vahoaka


  • Talata 21 Mey 2024

Ara-bakiteny ny fanaovana taingim-bozona vahoaka raha ny hita sahady

amin’ny afitsok’ireo heverina fa kandidam-panjakana sasany na ny kandida natolotry ny vondrona politika IRMAR na Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina. Gina aho, hoy ny kandida solombavambahoaka hafa, raha nahita ity kandida IRMAR ao Mananara avaratra. Lanjaina eo am-bozon’ireo mpiaradia aminy na koa hoe ireo vahoaka malagasy natao ho sarihany hifidy azy ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao. Fanontaniana mahazatra ny hoe «Azo atao ve?» fa etsy ankilany koa dia tonga amin’ny nambaran’ny kandida ao amin’ny firaisana faha 4 eto Antananarivo renivohitra, Andrianjato Vonison, izy ity hoe mila miainga ao amin’ny antenimieram-pirenena ny pedagojia politika eto amin’ity firenena ity nefa dia izao ary izany no ataon’ireo heverina fa ho solombavambahoakan’i Madagasikara atsy ho atsy. Hatraiza tokoa moa ny fahatakaran’ny vahoaka malagasy ny tena andraikitr’izany hoe solombavambahoaka izany? Mendrika ny hahazo izany toerana maha solombavambahoaka na depiote izany ve ireo kandida manararaotra ny tsy fahatakaran’ilay vahoaka toy izany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT